エピソード

  • Didier Ratsiraka : Fampihavanam-pirenena sy fanorenana ny ho avy
    2026/04/26
    Ao anatin’ity raki-peo ity, Didier Ratsiraka, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara teo aloha, dia mizara fomba fijery lalina momba ny hoavin’ny firenena. Miverina mijery ny zava-bita nandritra ny fitondrany izy, indrindra ireo tetikasa fototra izay nametraka ny lalana ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, taorian’ny vanim-potoana post-colonialy, taorian’ny fitondran’i Philibert Tsiranana. Nambarany fa tsy mora ny lalana nodiavina, ary maro tamin’ireo tetikasa sy fanavaozana nentiny no tsy nahazo fanohanana. Na izany aza, mbola nisy hatrany ireo raharaha lehibe notohizany, toy ny fitakiana ny Nosy manodidina (Îles Éparses), izay efa nisy fanapahan-kevitra iraisam-pirenena teo anivon’ny United Nations. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia manamafy izy fa tsy misy lalana hafa afa-tsy ny fampihavanam-pirenena sy ny fifampiresahana, izay heveriny ho lakilen’ny firaisam-pirenena sy ny fitoniana politika. Amin’izao fotoana izao, izay ahitana an’i Madagasikara eo amin’ny sampanan-dalana — eo anelanelan’ny faniriana hanao fanavaozana sy ireo te hitazona ny rafitra misy — dia mitondra lanja manokana ity hafatra ity. Hafatra avy amin’ny tantara, ho an’ny ankehitriny… sy ny ho avy.
    続きを読む 一部表示
    3 分
  • Sefo Fokontany : tokony hofidiana sa hotendrena ? Hevitry ny Depiote Antoine Rajerison
    2026/04/07
    Ao anatin’ny adihevitra momba ny fanavaozana eto Madagasikara, miverina indray ny resaka momba ny toeran’ny Sefo Fokontany. Amin’ity fizarana ity, Antoine Rajerison, depiote an'i Madagasikara, dia mampitandrina ny amin’ny mety hiverenan’ny hadisoana taloha raha toa ka haverina ny fanendrena Sefo Fokontany avy eny ambony. Ny Sefo Fokontany dia fototry ny demokrasia eny ifotony eto Madagasikara, satria izy no akaiky indrindra ny Fokonolona. Manana andraikitra lehibe izy, indrindra amin’ny asa saro-pady toy ny fanomanana ny lisitry ny mpifidy. Noho izany, mazava ny hafatra : tokony hofidian’ny vahoaka eny an-toerana ny Sefo Fokontany fa tsy hotendrena. Fanontaniana lehibe apetrak’ity podcast ity : ny demokrasia ve tokony hatsangana avy eny ifotony sa fehezina avy eny ambony ?
    続きを読む 一部表示
    2 分
  • Michaël Randrianirina : Antso ho an’ny tanora – Fahatsiarovana 29 Martsa 1947
    2026/03/29
    Tamin’ny fankalazana ny 29 Martsa 1947 tao Moramanga, Michaël Randrianirina, filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, dia nandefa hafatra mahery vaika ho an’ny tanora malagasy. Miantso ny tanora izy handray andraikitra amin’ny fananganana ny hoavin’ny firenena, ary tsy hanaiky ho voafitaka na ho voazarazara ara-politika, na voasariky ny be resaka efa misotro ronono. Ao anatin’ny lahateny feno fandraisana andraikitra, dia nanamafy ihany koa izy ny fahavononany hiady amin’ny kolikoly. Nantsoiny mivantana ireo mpanao kolikoly sy ireo mety ho voasarika amin’izany, fa manala baraka ny ra nalatsaky ny razana ny ataon’izy ireo. Hafatra iray mampisaina, miantso andraikitra ary manosika fandraisana andraikitra ho an’i Madagasikara.
    続きを読む 一部表示
    3 分
  • Tanora malagasy sy politika : antso sy hafatra avy amin’i Hajo Andrianainarivelo
    2026/03/21
    Amin’ityfandaharana ity, Soa i Madagasikara dia mitondra ampahan’ny kabarin’i Hajo Andrianainarivelo, izay miresaka mivantana amin’ny tanora malagasy. Hafatra mazava no apetrany : ny tanora no ho avin’i Madagasikara, mila miomana sy miofana izy ireo handray andraikitra, ary tsy tokony ho voafitaky ny fizarazarana, na ara-pivavahana, na ara-poko, na ara-politika Tsiahiviny ihany koa ny hetsika nataon’ny tanora tamin’ny faran’ny taona 2025, izay naneho fa manana hery sy andraikitra izy ireo. Fa ny fanamby lehibe izao : tsy ny mihetsika ihany, fa ny miomana. Tsy ny mandrava ihany, fa ny manorina Antso avo mampahatsiahy fa an’ny tanora ny hoavin’i Madagasikara, saingy mila fahaizana sy fahavononana izany. Loharano : Kolo Tv
    続きを読む 一部表示
    1 分
  • Hetsika fambolen-kazo sy politika – inona marina no tanjon’ny Malagasy Miara Miainga ?
    2026/03/21
    Amin’ity fandaharana ity, Soa i Madagasikara dia mijery akaiky ny hetsika fambolen-kazo nataon’ny antoko Malagasy Miara Miainga (MMM), notarihin’i Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo, >Filoha nasionaly ny Antoko. Fa ankoatra ny lafiny tontolo iainana, misy hafatra politika nozarainy tamin'nizany : ny tena zava-nitranga, ny hafatra sy kabary natao ny tanjona mety ho kendrena, ary ny toerana misy ny MMM eo amin’ny politika malagasy amin’izao Fanavaozana izao. Loharano : Kolo Tv
    続きを読む 一部表示
    1 分
  • Fitsidihana Ofisialy any Rosia : Fanavaozana sy Fiandohana Vaovao
    2026/02/19
    Nanao fitsidihana ofisialy tany Rosia ny Filohan’ny Repoblika Michaël Randrianirina, tao anatin’ny fanamafisana sy fanavaozana ny fifandraisana diplomaty efa naharitra 55 taona teo amin’i Madagasikara sy Rosia. Tamin’ny lahateniny voalohany dia nanambara izy fa fotoana hanombohana fiandohana vaovao izao. Tsy fanohizana fotsiny ny fifandraisana taloha, fa fanamafisana fiaraha-miasa mifototra amin’ny tombontsoa iombonana sy ny refondation ny firenena. Voaresaka manokana ny sehatra sosialy, angovo, toekarena ary fiaraha-miasa ara-miaramila. Araka ny nambarany, ilaina ny mpiara-miombon’antoka matanjaka hanohanana ny fampandrosoana maharitra sy ny fanamafisana ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Inona no tena dikan’ity fitsidihana ity eo amin’ny sehatra jeopolitika ? Inona no tombontsoa ho an’ny vahoaka malagasy ? Ary ahoana no hahazoana antoka fa fiaraha-miasa mitovy lenta sy mahasoa ny firenena ? Ity podcast ity dia manasa antsika handinika lalina ny dikan’ny refondation sy ny toeran’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
    続きを読む 一部表示
    1 分
  • Didier Ratsiraka sy ny Vinan’ny Angovo : Bemolanga sy Tsimiroro, Fahafahana Very sa Fotoana Mbola Azo Raisina ?
    2026/02/19
    Tamin’izany fotoana izany dia efa nisy fandinihana lalina momba ny gisement solika mavesatra ao Bemolanga sy Tsimiroro. Harena voajanahary goavana izay heverina fa afaka mamaly ampy ny filàn’ny firenena amin’ny resaka angovo. Ny vinavina dia ny hananganana toby famokarana herinaratra lehibe manakaiky ireo toerana misy ilay solika, ary avy eo hampifandray izany amin’ireo tanàna lehibe manerana ny nosy amin’ny alalan’ny tambajotra interconnexion matanjaka. Raha tanteraka izany, dia mety ho nihena be ny delestazy izay mbola olana maharitra hatramin’izao. Mety ho afaka niantehitra bebe kokoa tamin’ny harenantsika manokana i Madagasikara, fa tsy tamin’ny fanafarana solika lafo vidy. Fa inona no tena sakana ? Inona no antony tsy nahatanteraka tanteraka izany vina izany ? Ary raha jerena amin’izao fotoana izao, mbola azo averina ve ny fametrahana politika matanjaka mifototra amin’ny harena voajanahary eto an-toerana ? Ity podcast ity dia manasa antsika handinika ny lasa, tsy amin’ny fiderana na fanakianana fotsiny, fa amin’ny fianarana sy fijerena vahaolana maharitra ho an’ny olana ara-angovo eto Madagasikara.
    続きを読む 一部表示
    2 分
  • 31 Desambra 2025 - Ny Lalana Efa Natoron’ny Tanora
    2025/12/31
    Ao anatin’ity podcast ity dia henontsika ny ampahan’ny lahatenin’ny Filoha Michaël Randrianirina tamin’ny 31 Desambra 2025. Ao anatin’izany kabary izany dia nanamafy izy fa “efa voatrasy ny lalana”. Lalana notarihin’ny tolona sy ny fahasahian’ny tanora izay nijoro sy naneho ny faniriany ho amin’ny fanovana. Araka ny nambarany, ny tanjona dia ny hananganana Repoblika faha-5, rafitra vaovao izay heverina fa hiorina amin’ny mangarahara, fahamarinana ary fanavaozana ara-politika. Nohamafisiny ihany koa ny finiavana hiroso amin’ny fifidianana malalaka sy madio, ho fototry ny fanarenana ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny rafitra demokratika. Ity fizarana ity dia manasa antsika handinika ny dikan’ireo teny ireo : Inona marina no tiana hambara amin’ny Repoblika faha-5 ? Ahoana no hahazoana antoka fa ho tena fifidianana malalaka sy mangarahara ? Ary inona no anjara asan’ny tanora amin’ny fanorenana ny ho avy ?
    続きを読む 一部表示
    2 分