『Mba fantatrao ve ?』のカバーアート

Mba fantatrao ve ?

Mba fantatrao ve ?

著者: Soa i Madagasikara
無料で聴く

Podcast sur l'éducation civique et citoyenne à Madagascar. Des émissions sans autre ambition que de partager à tous les Malagasy la connaissance de son environnement social, économique, juridique et politique pour mieux vivre ensemble et construire un développement cohérent aux aspirations de tout un peuple. Fandaharana miandrandra ny fanabeazana ny olom-pirenena eto Madagasikara. Fandaharana tsy misy finiavana afa tsy ny fizarana ny fahalalana mikasika ny lafiny ara-tsosialy, toe-karena, lalàna ary politika eto @ firenena mba hanatsarana ny fiaraha-monina sy hampiharana izay fandrosoana andrandrain'ny maro an'isa. Atolotry ny Dr Nirina MILIJAONA.All rights reserved 政治・政府 社会科学
エピソード
  • Fanehoankevitra momba ny famerenana ny Fokontany ao anaty vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana
    2026/04/07
    Ao anatin’ny adihevitra momba ny fanavaozana eto Madagasikara, mipetraka indray ny fanontaniana lehibe : inona no rafitra politika tena mifanaraka amin’ny maha-izy antsika? Amin’ity fandaharana “Mba fantatrao ve” ity, dia resahina ny maha-zava-dehibe ny Fokontany ho fototry ny fandaminana ara-pitantanana sy ara-politika. Tsy vitan’ny hoe rafitra akaiky ny vahoaka izy, fa efa anisan’ny kolontsaina sy ny tantara malagasy ihany koa. Asongadina ato ny hevitra hananganana rafitra mifototra amin’ny anarana sy fomba malagasy: Fokontany - Firaisam-pokontany - Fivondronam-pokontany - Fireneana. Tanjona ny hanorenana rafitra miorina amin’ny zava-misy sy ilaina ary akaiky ny vahoaka, fa tsy rafitra nalaina tahaka avy any ivelany. Ao anatin’ny fanavaozana, aorian’ny fitsapankevi-bahoaka sy ny fifampidinihana nasionaly, dia andrasana ny fananganana Lalàmpanorenana vaovao. Fanamby lehibe ny hahatonga izany ho taratry ny maha-malagasy, ny kolontsaina, ary ny fomba fijery manokana ny firenentsika. Fanontaniana mipetraka: ho sahy hanorina rafitra tena malagasy ve isika, sa mbola hifikitra amin’ny modely vahiny?
    続きを読む 一部表示
    6 分
  • Fanehoankevitra momba ny toerana tokony homena ny Fokonolona sy fitsapankevi-bahoaka
    2026/02/21
    Inona marina no anjara toeran’ny Fokonolona amin’ny fitantanana ny firenena? Ary tokony homena lanja bebe kokoa ve ny fitsapankevi-bahoaka amin’ny fanapahan-kevitra lehibe? Ao anatin’ity fizarana “Mba Fantatrao ve ?” ity, mandinika lalina ny toerana tokony hisy ny vahoaka amin’ny rafitra demokratika eto Madagasikara isika. Resahina ny andraikitry ny Fokonolona, izay fototry ny fiarahamonina malagasy, sy ny fomba ahafahan’ny fitsapankevi-bahoaka manamafy ny feon’ny olom-pirenena. Mampametra-panontaniana isika : Ahoana no ahafahan’ny vahoaka mandray anjara marina amin’ny fanapahan-kevitra? Mbola voahaja ve ny hasin’ny Fokonolona ankehitriny? Inona ny anjara toeran’ny fitsapankevi-bahoaka amin’ny demokrasia tena izy? Fizarana iray hanentana fisainana, hanokatra adihevitra, ary hampahatsiahy fa ny hoavin’i Madagasikara dia miankina amin’ny fandraisan’anjara ataon’ny olom-pirenena tsirairay.
    続きを読む 一部表示
    5 分
  • Ny adidy sy andrikitry ny olompirenena aorian’ny fifidiana
    2025/03/17
    Ny demokrasia dia fahefan’ny vahoaka, avy amin’ny vahoaka, ho an’ny vahoaka. Fahefan’ny vahoaka (satria vahoaka masimandidy). Ary avy amin’ny vahoaka (Izay voalazantsika teo hoe mamindra ny fahefana amin’ny olomboafidy amin’ny alalan’ny fifidinana). Fa indrindra ho an’ny vahoaka (Mba ahafahan’ireo mametraka volavolan’asa ho ampandrosoana ny firenena, ho fanasoavana ny vahoaka ao aminy). Arak’izany ny olomboafidy dia natao hitsinjo izay hahasoa ny firenena sy ny vahoaka manontolo.
    続きを読む 一部表示
    12 分
adbl_web_anon_alc_button_suppression_t1
まだレビューはありません